Edito

Salama aby,
Misaotra antsika rehetra izay nisafidy hanokatra ity blog ho an’ny Fandriana-Fisakana ity.
Iza moa no tsy mahalala fa manana olo-manga maro tokoa i Fandriana ary dia miely patrana sy manana ny maha-izy azy eran-tany. Nefa dia toa faralahiny hatrany isika eo amin'ny fampandrosoana.
HIEZAKA ISIKA REHETRA HIALA AMIN'IZANY
Tanjona ihany koa ny fampahafantarana ireo zava-misy tena iainan'ny vahoaka indrindra ny mombamomba ireo foto-drafitr'asa (ny trano fianarana, ny tsena, làlana, hôpitaly) sy ireo toerana mana-tantara (lava-bato, tendrombohitra, rano) izay hita ho sarobidy tokoa ka mendrika hasandratra amin'izao fotoana izao.
Enga anie hitondra antsika mankany amin'ny fampandrosoana izany.
Ny agnaran-dRay tsa ahohoka.
RAJAONARISINA Georges

Ben’ny tanàna
Publicité